Manampy amin’ny fanovana ny fanabeazana eto Madagasikara ny ERA & MFT

Electronic Recycling Association & Madagascar Fanantenana Teknolojia (MFT) dia mino fa ny ankizy tsirairay, na aiza na aiza firenena niaviany na fiaviany ara-tsosialy, dia tokony hanana fahafahana hampiasa sy hianatra momba ny teknolojia. Izay no nahatonga ny ERA faly nanome solosaina finday miisa 3 ho an’ny Soeur disciple de sacre Coeur eto Madagasikara.

Soeur disciple de sacre Coeur dia fiangonana relijiozy Mandrosoa Ivato, ao Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara. Mipetraka eo anivon’ny vahoakany ireo Masera mba hanatanteraka ny iraka ataony amin’ny fikarakarana ny marary, famahanana ny noana ary ny fanabeazana. Amin’ity fanomezana ity dia manantena ny ERA hanamafy ny fanabeazana sy ny fitomboana ara-toekarena amin’ny alàlan’ny fanomezana ny teknolojia nomerika any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.

Madagasikara, nosy iray hita any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Afrika, dia anisan’ny firenena tena mahantra : 75% amin’ny mponina (25 tapitrisa) no miaina ambanin’ny taham-pahantrana iraisam-pirenena.
Ambony ny taham-pahantrana ao amin’ny firenena arakiny Fanondroana ny Fampandrosoana ny Olombelona. Tsy mahomby amin’ny sehatra toy ny fanabeazana, ny toe-karena ary ny fanatsarana ny fari-piainana ny firenena.

Ny Soeur disciple de Sacre Coeur dia mbola mila solosaina finday hanampiana ireo mpianatra, izay avy amin’ny fianakaviana sahirana sahirana ny ankamaroany, mba ahafany hanohy ny fianarany. Tsy ampy fitaovana izy ireo ary efa lany andro na tsy azo ampiasaina intsony ireo mba kely ananany.

Raha te hanampy fikambanana sy fianakaviana amin’ny fanomezana teknolojia ianao, mba hananan’izy ireo safidy bebe kokoa eo amin’ny fiainany; manasa anao hifandray aminay mivantana amin’ny laharana finday +261 38 27 777 01 na handehana any amin’ny tranokalanay ary hameno ny taratasy fangatahanay eto.

Ny fanomezanao dia afaka manamaivana sy mitondra tsiky amin’ny endrik’olona iray. Ampio izahay hanaparitaka tsiky bebe kokoa amin’ny fanomezana anio!